Nosamborin’ny pôlisy ary naiditra am-ponja vonjimaika ny sefo fokontanin’Anosibe-Avaratra, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Ny antony dia noho ny naha-voarohirohy azy ho niray petsapetsa tamin’ny varotra tany tamin’ny alàlan’ny hosoka. Toa izao ny zava-nisy : nisy ministra teo aloha nanana tany velarana lehibe eo Anosibe. Sady amoron-dàlana izy io no tsara toerana. Nosoratany tamin’ny zanany io ary tsy mbola nokitihina aloha. Mety ho izay toe-javatra izay no nanintona ny sain’ny mpisoloky ka nahatonga azy ireo hiketrika ny hivarotra ny tany. Nitadavian’ilay tambajotra kely, ao anatin’izay ny lehiben’ny fokontany, hevitra ny taratasin’ny tany. Efa nahitàny mpividy ihany koa ka raikitra fa 120 tapitrisa ariary ny vidiny. Tokony ho tamin’ny zoma lasa teo no natao ny varotra, saingy mailo tampoka ilay mpividy ka niezaka nitady izay nisy ilay anarana tao anatin’ny taratasy manamarika azy ho tompon’ny tany. Hita tokoa ary nifampiresaka mivantana ny roa tonta. Taratasy hosoka avokoa ireo nampiasain’ilay tambajotra hivarotana ny tany. Nampandre ny pôlisy ny tompon’ny tany ary natao ny vela-pandrika rehetra hahazoana ireo mpivarotra avy amin’ny alàlan’ny taratasy sandoka. Olona enina no voasambotra teo an-toerana ka isan’izany ny panera iray sy ilay lehiben’ny fokontany. Tsy niandry ela fa ny asabotsy teo ihany dia natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja ny telo tamin’ireo olona. Ahoana ny fomba nahazoan’ireo olona ny taratasy, na dia sandoka aza izany? Hatramin’ny “situation juridique” aza mantsy dia vita toa ireny tena izy ireny mihitsy. Ny tranga toa izao dia manambara fa miainga amin’ny fampiasana hosoka avokoa ny ady tany eto amintsika, ady tany izay lasa vesatra ho an’ny fitsarana satria ny 80% amin’ny raharaha mandalo ao dia izany avokoa. Midika izany fa volabe ho an’ny fanjakana ihany koa ny ady tany satria ny raharaham-pitsarana iray dia misy sandany avokoa. Mila atoro ny olona mba tsy hahafantaran’izy ireo izay tokony hatao mba hialàna amin’ny hosoka mety hataon’ny olon-dratsy…
D.R