- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe: Namono olona indray ny mpanendaka

Anosibe: Namono olona indray ny mpanendaka

Tsy vitan’ny hoe maka izay zava-tsarobidy eny amin’izay lasibatra intsony ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery amin’izao fa lasa mandratra sy mahavita mamono olona mihitsy. Toy ity nitranga tetsy Anosibe omaly maraina ity. Lehilahy iray no hita teo amoron’arabe, nitsirara tao anaty rà mandriaka. Indrisy anefa fa efa vatana mangatsiaka sisa no tonga . Araka ny fantatra teny an-toerana dia niharan’ny fanendahana ity farany. Tsy fantatra anefa izay tena niseho tamin’io fotoana io. Vinavinain’ny maro ho namaly ireo mpanafika azy angamba ilay lehilahy, izay marihana fa avy niasa ary hamonjy ny fodiana. Teo anatrehan’izay dia tsy nisalasala ireo mpanendaka nampiasa ny fitaovam-piadiana nentiny nampitahorany an’ity farany. Tsindron’antsy tokana no niletra teny amin’ilay lehilahy saingy angamba nahazo taova ka io no nitarika ny fahafatesany avy eo. Tsy nisy nahafantatra ireo tontakely izay mazava ho azy fa tsy maintsy nitsoaka taorian’ny asa ratsy nataony. Tsy fantatra ihany koa ny zavatra lasan’izy ireo tany. Ilay lehilahy tsy nahatsiaro tena intsony sisa no hitan’ireo olona nandalo ka niantsoana vonjy tamin’ireo pôlisy sendra teny an-toerana. Noho ny halalin’ny ratra sy ny habetsaky ny rà very anefa dia io tsy tana intsony ny ainy. Efa mandray an-tanana ny raharaha moa ireo pôlisy misahana iny faritra iny, ary miroso amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici