- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Nifanenjika ny jiolahy sy ny SAG

Anosibe : Nifanenjika ny jiolahy sy ny SAG

Nahomby ny paik’ady napetraky ny pôlisy, hamongorana ireo tontakely eny amin’iny faritra Anosibe iny. Faritra izay iaraha-mahalala fa anisan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Omaly antoandro mantsy, nifanenjika ny pôlisin’ny SAG (Service anti-gang) avy etsy Anosy sy ny jiolahy teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro teo no niseho ity tranga ity. Nahatazana mpanendaka teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy mantsy ireto pôlisy tsy manao fanamiana ireto. Iretsy tontakely tsy nanampo velively ny fisian’izy ireo anatin’ireo olona marobe mpiantsena teny an-toerana. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana rehefa nasain’ireo pôlisy nijanona ity olon-dratsy ity. Tsy nanaiky io fa nanohy ny fandosirany hatrany ary niezaka nilefa tanaty olona. Tsy afaka nankaiza anefa rehefa voahodidin’ireo mpitandro filaminana. Nanome tanana avy hatrany ihany koa mantsy ireo pôlisy teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy. Voasambotra avy hatrany ny lehilahy, izay mbola tovolahy vao 21 taona monja efa ikoizan’ny rehetra eny an-toerana. Mbola hita teny aminy moa ny zavatra nendahiny tamin’ilay olona lasibatra. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria teny Mahamasina ity olon-dratsy ity ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici