Nifanehatra tampoka tamin’ny mpanendaka ny lehilahy iray hamonjy fodiana tetsy Anosibe. Nanapa-kevitra nitsoaka avy hatrany izy ary dia raikitra tokoa ny fifanenjehana teo aminy sy ireo olon-dratsy. Ny henon’ny olona teo amin’ny manodidia dia antso vonjeo izay raha ny fihevitry ny mpiara-monina dia avy amin’io olona namoy ny ainy io. Tsy nisy sahy nivoaka anefa ireo olona noho ny tahotra sao izy ireo indray no hianjadian’ny rihitra. Ny maraina no nisy nahita teo an-toerana ny fatin-dehilahy iray natsingevan’ny rano, teo akaikin’ny lalam-by, eo Ambohibarikely-Anosibe. Nanomboka teo no nandeha ny tombana fa saika hisy hanendaka izany ilay rangahy dia nisafidy ny nitsoraka tao anaty rano. Mbola teny an-tanany ny paoketra izay notazominy mafy, tsy fantatra izay tao anatiny. Mirongatra tanteraka ny asa fanendahana, indrindra raha vao maizina ny andro. Isan’ny noresahin’ny olona maro tao anaty tambajotra sosialy ny fisian’ny efa-mianaka izay nandeha alina tamin’iny Antanimena-Ambany, mifanandrify amin’ny Vasakaosy iny , izy ireo izay vao avy niandry faty no saika hamonjy fodiana no nandrasan’ny jiolahy mitondra sabatra. Nisy nahatsikaritra ny zava-niseho ary ireo olona tsara sitra-po nitondra fiara no nisintona haingana azy efa-mianaka tao anaty fiara. Raha tsy izay dia asa izay nanjo ity fianakaviana kely ity izay misy zaza roa tao anatiny.
D.R