- Publicité SW45 -
mardi, septembre 17, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Notsatohany vy maranitra ny tendan’ilay vadiny taloha

Anosibe : Notsatohany vy maranitra ny tendan’ilay vadiny taloha

Avy nanindrona vy ilay ramatoa izy dia notsindrominy tamin’iny zavatra maranitra iny koa ny tenany. Ny alin’ny alakamsiy hifoha zoma, tokony ho tany amin’ny  10 ora tany ho any, raikitra ny fifamaliana teo amin’ireto olona roa, vavy sy lahy, teny Anosibe. Niakatra ny feo ka niafara tamin’ny fanindronana vy maranitra an’ilay vehivavy izany. Rehefa avy eo, nanindron-tena ihany koa ilay lehilahy. Samy tsy nisy maty anefa izy ireo ary samy manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Ampefiloha. Ny vaovao voaray no nahalalana fa mpivady ireto olona ireto taloha. Nisy anefa ny tsy fifanarahana ka dia nisaraka. Fantatra fa tamin’ny fifamaliana teo amin’ireto olona ireto dia tsy nahazaka izany ilay lehilahy. Ny zava-nisy anefa, raha vao tafasaraka izy ireo, efa nanana vady hafa ny anao lahy. Efa bevohokany mihitsy ary izy io, hoy ny vaovao voaray. Taty aoriana kely, nisy olona iray koa nifanerasera tamin’ilay vehivavy. Tsy zakan’ilay lehilahy izany. Teo no vaoalaza fa niandohan’ny gidragidra.

Tamin’io alina io, nandriaka ny rà tao amin’ilay trano. Eo amin’ny 25 taona eo ilay lehilahy, ramatoa kosa 23 taona. Tsindrona roa no nahavao ilay vehivavy, teo amin’ny tendany sy ny tratrany. Ny an’ilay lehilahy kosa, teo amin’ny ambavafony. Voalaza fa talohan’ny nanindronany tena dia nihevitra ilay lehilahy fa efa maty ilay vadiny taloha. Tsy izany anefa no niseho. Feo toa nitrena be no henon’ny manodidina taorian’ny fifamaliana ary izany no nanaitra ny rehetra. Rehefa nojerena, io ilay lehilahy nihinjitra. Nanahirana ny nanala ilay vy teo amin’ny kibony. Saika tsy hay notsoahana mihitsy izany. Samy toran-kovitra avokoa ireo tonga nizaha ny zava nisy tamin’io alina io.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser