Eo anatrehan’izao trangana hala-jaza miseho etsy sy eroa izao, saika tsy namelan’ny fokonolona ity ramatoa iray 50 taona, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny tetsy Mandrangombato 2, teny Anosibe, omaly antoandro. Araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana ,dia teo am-pilalaovana io zaza io no notilian’ilay ramatoa. Voalazan’ireo mponina teny an-toerana ,fa notambatambazany mofogasy ity zaza lahikely, manodidina ny 4 taona ity, hanatona azy. Vao nanatona anefa avy hatrany dia nobatainy sy nokasainy nantina. Tamin’izany indrindra, raha ny voalaza hatrany no hitan’ny olona teo amin’ny manodidina ho hafahafa ny fihetsik’ity vehivavy ity, ka nandray ny andraikiny avy hatrany ireo nahita, nitazona azy tsy handeha. Somary namaly ihany izy, raha ny voalazan’ireo teny an-toerana ary izay mihitsy no nandrehitra ny hatezeran’ireo olona nahita. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia zaza kamboty mipetraka amin’olona ity zaza ity. Ilay ramatoa, kosa, raha ny filazan’ireo mponina hatrany, dia tsy olona eny amin’iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Nantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokjiny avy. Nalaky nidina teny an-toerana sy nanakana ny fitsaram-bahoaka saika nisy ihany koa ny mpitandro filaminana ary nitondra ilay ramatoa. Tsy fantatra hatreto hoe tena saika hangalatra an’ilay zaza marina ve ity ramatoa ity sa saika nataony inona io zaza io ? Ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Mahamasina no misahana ny famotorana rehetra.
m.L