Anosibe, nanodidina ny tamin’ny 11 ora sy sasany teo. Vehivavy iray tokony ho 43 taona no natsingevan’ny rano, tao anaty lakandrano iray, tsy dia lavitra loatra ny toeram-ponenany, teny an-toerana. Nisomaritaka ireo fokonolona nahita ity tranga mahatsiravina ity ary nampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana. Raha ny fanazavana azo dia olona saika hanjono teny an-toerana no nahita ity zavatra mitsingevana. Rehefa natonina akaiky dia tena hita fa vatan’olona. Nakarina avy any ka tena olona efa tsy misy aina intsony. Voamarika ho mbola nivoaka rà kosa ny orony tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny fizahana ny razana no voatsikaritra fa nahitana fatorana tady teo amin’ny tongony ary nisy mangana ihany koa teo amin’ny lohany. Novinavinaina avy hatrany ho nisy namono ity vehivavy ity, ka tsy fantatra na nofatorana dia natsipy tao amin’ilay lakandrano. Isan’ny nanatrika tamin’ny fampakarana ny razana teo ny zanany, ka hatairana tsy misy toa izany raha nahita fa ny reniny io. Ny fanazavan’ity farany no nahalalana fa fanaon’ity renim-pianakaviana ity ny mivoaka mandeha maraina miantsena sy maka entana. Tamin’io fotoana io dia tokony ho tamin’ny 4ora maraina tany izy no nivoaka ny trano ary tsy niverina intsony. Mety ho efa notilian’ireo jiolahy izy ity ramatoa ity,ka fotoana fotsiny no nandrasan’izy ireo hamitany ny asa ratsiny. Fantatra mantsy fa tadin-damba teo an-tokotaniny ihany no namatoran’ireo olon-dratsy azy. Ny tsy fantatra anefa, raha mety ho lonilonim-piarahamonina fotsiny ihany, no nahatonga izao famonoana izao. Mbola hita teny aminy mantsy ny peratra volamena teny an-tanany, ary tsy nisy very kosa ny vola rehetra tany am-paosiny saika hakàny entana. Ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana ihany angamba no afaka hilaza bebe kokoa ny momba izay. Efa eo an-dalam-pikarohana ireo nahavanon-doza rahateo ireto farany.
m.L