- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Ramatoa voaendaka sady voatifitra ?

Anosibe : Ramatoa voaendaka sady voatifitra ?

Nanakoako mafy ny poa-basy ny alatsinainy alina  teo, teny amin’iny faritra Anosibe iny, raha ny vaovao azo teny an-toerana. Tsy fantatra mazava anefa hatreto izay tena zava-nisy marina. Raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana dia toa hoe ramatoa iray no nisy nanendaka ka notifirin’ireo olon-dratsy nanafika azy. Voalazan’ireo olona teny an-toerana hatrany, fa saika handeha hody ity ramatoa ity no nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy. Rehefa tsy nanaiky mora foana ity ramatoa ity, raha ny filazan’izy ireo hatrany dia nampiasa hery ireo jiolahy; izay tsy fantatra mazava ny isany ka nitifitra tsy tamim-pisalasalàna azy. Hatreto anefa dia mijanona ho mistery ihany ny fisian’ilay tranga. Tsy nisy olona naratra na namoy ny ainy tonga, iny fotoana iny mantsy tany amin’ny toeram-pitsaboana, raha ny filazan’ny avy ao amin’ny mpitrandro filaminana. Ary na ireto farany aza tsy naharay tatitra momba izany. Na izany na tsy izany anefa, manentana ny olona hatrany izy ireo, hilaza avy hatrany ny tranga mety mampiahiahy miseho. Ny pôlisy izay miezaka midina ifotony sy manatona ireo mponina hatrany, hisorohana ny asan-jiolahy sy hiarovana ny vahoaka.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser