Rangahy iray manodidina ny 50 taona any ho any ho hita faty tetsy Anosibe. Raha ny fitantaran’ny olona teny an-toerana dia ny marainan’ny omaly no hitan’ny fokonolona nitsitra teo akaikin’ny lalamby io rangahy io, efa vatana mangatsiaka. Tsy nahitana dian-dratra vokatry ny famonoana ny razana. Rehefa nidina teny an-toerana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, ary taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo, dia fantatra fa ny hanohanana sy ny hatsiaka be omaly, vokatr’iny rotsa-korana iny, no nahafaty ity rangahy ity. Raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana dia karazan’ireo olona tsy manan-kialofana ity rangahy ity ary mivelona amin’ny hataka. Tsy nahitana taratasy momba azy tany aminy, afa-tsy tsy vola kely sy taratasy vitsivitsy. Ireo mponina teny an-toerana no ontsa nahita ity vatana mangatsika mitsirara eo am-povoan’arabe ka nanarona lamba azy sy nitondra voninkazo. Nalefa avy hatrany any amin’ny tranom-paty ity rangahy namoy ny ainy ity.
m.L