- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Ravan’ny polisy ny « Bande des 6 » mpamaky trano

Anosibe : Ravan’ny polisy ny « Bande des 6 » mpamaky trano

Ny alin’ny 24 hifoha 25 desambra teo dia nisy fiaraha-miasan’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 sy ny fokontany Anosibe noho ny resaka hala-botry, vaky  trano, fanafihana mitam-piadiana, fanendahana eny amin’iny faritra iny. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka tamin’izany no nisamborana jiolahy roa lahy tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30 mn maraina. Ny iray antsoina hoe Alfredouard 21 taona sy Tovohery, na koa i Mainty, 18 taona. Nifanilika izy roa lahy rehefa tratra ka nanondro ny namany antsoina hoe Dedekely, Zozo, José, Tolotra. Ireto farany ireto moa dia mbola karohina hatramin’izao. Marihina fa mpanao fanafihana mitam-piadiana izy ireo ka ao anatin’ny Bande des 4 sy bande des 6. Araka ny fanadihadiana ihany koa, misy trano iray ao Anosibe izay fifohan’izy ireo rongony sy fanaovany fivoriana alohan’ny fanafihana.

Omaly no natoloatra ny fitsarana ireo voasambotra.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser