Soa ihany fa tojo polisy nanao fisafoana ity olona iray teny amin’iny faritra Anosibe iny, raha tsy izay dia efa sakafon’ireto mpanendaka roalahy, izay tsy tahotra tsy henatra intsony ihany fa dia mifoka rongony eny amin’ny arabe. Efa hiaraha-mahalala tokoa ny maha faritra mena amin’ny tsy fisian’ny fandriaham-pahelamana eny Anosibe sy ny manodidina eny, indrindra fa raha vao mirotsaka ny alina. Toy ny nitranga ny alahady lasa teo, nanodidina ny tamin’ny sivy ora alina tany ho any. Olona nivoaka ny elakelatrano avy teo akaikin’ny toeram-pivarotana lehibe iray no nahatsikaritra olona anakiroa nampiahiahy. Nanentoento fofon-drongony ny manodidina ka fantatra avy hatrany fa tsy sigara tsotra velively no fohan’izy ireto. Raha vao nahita ireto olona roa nivoaka ireto izy roalahy, avy hatrany dia nanatona no sady namoaka antsy sy nanambana azy ireo. Niezaka nitsoaka ny iray saingy voaratran’ny antsy ny iray tamin’ireo roalahy ka tsy afa-nanoatra intsony. Efa teo am-panendahana mihitsy izy ireo no tonga ara-potoana ireo polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, nanao fisafoana tamin’iny faritra iny. Tsikaritr’ireto mpitandro filaminana ireto avy lavitra ny fihetsik’izy ireo roalahy ireto tamin’ireto olona saika ho lasibatra ka niditra an-tsehatra avy hatrany izy ireo. Nosamborina avy hatrany moa ireto farany ary nentina natao famotorana teny anivon’ny kaomisaria mba hatao famotorana.
m.L