- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : Sivy mianaka indray naiditra hopitaly

Anosibe : Sivy mianaka indray naiditra hopitaly

Olona iray trano, ao anatin’ny fianakaviana iray, no indray naiditra hopitaly. Ny anton’izany dia noho ny fihinanana sakafo izay ahiana ho ratsy ny menaka nampiasaina. Nanomboka tamin’ny enina ora hariva ka hatramin’ny sivy ora alina, afakomaly, no notaterina tsikelikely tao amin’ny hopitaly Hjra ireo olona. Tao ny lehibe, tao ny ankizy kely. Ny marina dia izy rehetra iray trano no indray notsaboina nony farany. Raha ny vaovao azo dia tsaramaso no nandrahoina. Tsy voafaritra mazava hoe taiza ho aiza ny mety ho nitera-doza tamin’izany. Ny mateti-pitranga dia avy amin’ny fampiasana menaka efa avy nampiasaina no vohizina. Saingy tsy azo odian-tsy hita koa fa betsaka ireo menaka tsy mbola nahodina ,ka tsy tokony hampiasaina amin’ny fandrahoana sakafo, no miparitaka eny an-tsena. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy nanao laharam-pahamehana intsony ny fanarahamaso ireny sakafo sy fanamboaran-tsakafo amidy etsy sy eroa ireny. Sakafo lany daty, sakafo tsy fantam-piaviana, torak’izany ihany koa ireo menaka, savony sy izay mety azo ampiasaina amin’ny fiainana andavan’andro. Raha ny fantatra dia misy sampan-draharaha afaka mitily ireny karazan’entana ireny na azo ampiasaina na tsia eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana. Na izany aza anefa dia tokony ho tompon’andraikitra ihany koa ny ministera hafa ,izay manome alàlana ny fidiran’ireo “poizina”. Iaraha-mahalala fa tsy azo ialàna intsony ny fidiran’ny vokatra vahiny eto amintsika, noho ny fanatontoloana sy amin’ny maha-mpikambana antsika eo anivon’ny fikambanana eo anivon’ny sehatra afrikana indrindra indrindra, isan’izany ny Sadc sy ny Comesa. Izany anefa tsy midika velively fa azo atao fanariam-pako ny Nosy ka hampidirana ireo sakafo lany daty sy  tsy manaraka ny tokony ho izy. Asa raha mba hisy ny fiovana eo amin’izany lafiny izany amin’ity fanjakana vaovao izay hitsangana tsy ho ela ity. Raha tsy izany mantsy dia heverina fa mbola avela hopoizinin’ny hafa hatrany ny Malagasy. Tsy ny sakafo ihany fa hatramin’ny sigara fohany aza efa misy hosoka ihany koa…Dia hotazanim-potsiny hatrany ve ny toa izany?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser