Mitentina eo amin’ny fito tapitrisa ariary teo ho eo, amin’ny ravim-bola roa alina ariary no vola sandoka tratra tany amin’ireto telolahy teny amin’iny faritra Anosibe Angarangarana iny ny herinandro lasa teo.
Araka ny fampitam-baovao azo dia fiaraha-miasa matotra avy amina olona tsara sitrapo no nahafantaran’ireo zandary avy ao amin’ny sampana misahana ny fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana, ny fisian’ireto olon-dratsy mpanaparitaka vola sandoka ireto teny an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka io tokoa fa tratra ambodiomby, mbola teo am-panakalozana izany vola sandoka izany ny lehilahy roa antsoina hoe Bemaso sy Serafin. Nosamborina avy hatrany moa izy ireo ary nentina natao fanadihadiana. Marihana fa tamin’ny fotoana nahasamborana azy ireo dia mbola sarona tany ireto vola sandoka aman-tapitrisany maro ireto. Tsy vitan’izany anefa, fa mbola nilaza izy roalahy ireto fa efa nanaparitaka vola sandoka mitentina teo amin’ny telo tapitrisa ariary teo ho eo talohan’izao nahatratrarana azy izao. Ary ny tena loza dia mpitandro filaminana iray, fantatra amin’ny anarana hoe Simon no nividy izany vola sandoka izany tamin’ny vidiny efatra ariary ny ravim-bola sandoka roa alina ariary. Fantatra fa mipetraka eny amin’iny faritra Paraky Andrefan’Ambohijanahary iny ity mpitandro filaminana ity ka dia noraisim-potsiny tao an-tranony. Tamin’ny famotorana azy ireo no nahafantarana, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa izany « Darôzy » izany no tena mpamatsy sy nampaniraka azy ireo hanaparitaka ireo vola sandoka ireo. Monina any amin’iny faritra Amoron’i Mania iny moa ity farany, izay mbola karohin’ireo mpitandro filaminana fatratra amin’izao fotoana izao. Taorian’ny fanadihadiana savaranonando natao ireto fanetriben’ny firenena ireo dia natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ary nandray fepetra ireo mpitsara mpanao famotorana ny hampiditra azy ireo vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Eo anatrehan’izany dia manentana ny tsirairay ny zandamariam-pirenena mba ho mailo tokoa, hanamarina hatrany maha tena izy ny lelavola ampisaina.
m.L