- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Toeram-pivarotana iray kilan'ny afo tao an-tsena

Anosibe : Toeram-pivarotana iray kilan’ny afo tao an-tsena

Raha ny hevitry ny mpanao fanadihadiana dia « court-circuit » no nitarika ny afo. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny iray ora, no niantomboka ny afo. Vokatr’izany dia may kila ny toeram-pivarotana iray tao anatin’ny tsenan’Anosibe. Adiny iray mahery taty aoriana vao tena voafehy tanteraka izany, efa maro ny olona no natahotra ny hitaran’izany amin’ny bazary hafa. Saingy rehefa nifanome tànana teo ny maro ary koa tonga ny mpamonjy voina dia mba maty ihany ny afo niredareda. Nisy ihany ny entana voavoaka tao anatiny saingy kely dia kely sisa. « Levon’ny afo avokoa ny 80%-n’ny entam-barotra tao anatin’ilay bazary », raha araka ny fanazavana azo tamin’olona teny an-toerana. Ny polisy miasa eo anivon’ny komisarian’ny boriborintany fahadimy no miandraikitra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
D.R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici