Tovolahy tokony ho eo amin’ny 20 taona no nosamborin’ny polisy avy ao Ilanivato ,teny Anosibe tamin’ny alakamisy teo. Voarohirohy tamina halatra rojo volamena tao amina trano iray ity zalahy ity. Ny vaovao no nahafantarana fa efa mpivezivezy tao amin’ilay trano nangalarany ity tovolahy ity. Ny talata faha-16 martsa, nanjavona tsy hita ilay rojo napetraka teo ambony latabatra. Nilaza ho tsy nisy naka izany ny tao an-trano ka anisan’izany ilay tovolahy. Nametraka fitoriana tany amin’ny polisy ny tompon-trano. Rehefa nandeha ny famotorana dia nilaza ilay tovolahy fa izy no naka ny rojo ary efa nomeny vehivavy iray. Rehefa nojerena tany an-tranony anefa io vehivavy io dia tsy tratra tany mihitsy. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ilay naka ny rojo.
r.s.