- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Trano efatra voaroba, lasa ny vola rehetra

Anosibe : Trano efatra voaroba, lasa ny vola rehetra

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritra Anosibe. Trano iray no nidiran’izy ireo. Novakiany ny varavarana ary teo izy ireo no niditra rehefa avy nihanika tamboho. Toa tsy nisy nahare ny nahatongavan’ireo mpandroba ny tao amin’ilay trano. Efa tao amin’ny efitra iray izy ireo vao taitra ny olona. Telo ny isan’ireo jiolahy ary nitondra basy PA ry zalahy. Voahambana basy ny rehetra. Ny vola no nangatahan’ireo mpangalatra. Voatery tsy maintsy nanome izany ireo voatafika. Lasa ny 20 000 ariary sy ny telefonina rehetra. Rehefa izany, nifindra tao amin’ny efitra iray faharoa ireo bandy ireo. Sahala ny tao amin’ilay voaloahany ihany ny fandehan-javatra. Very ny vola mitentina 200 000 ariary miampy “lecteur”. Azon’ireo mpangalatra izany, nandeha tao amin’ny efitra fahatelo izy ireo. Vola 100 000 ariary no nalainy tao miaraka amina “lecteur”. Tsy mbola nionona tamin’izany izy ireo fa niditra ankeriny tamina efitra iray hafa indray. Teo anatrehan’ny basy nirangaranga dia nanaiky izay nolazain’izy ireo ny tompon-trano. Tsy nahita vola ireo jiolahy tao fa entana no nalainy, toy ny telefonina sy “lecteur”. Rehefa azony izany rehetra izany vao lasa nandeha izy ireo. Ny nahavariana tamin’ity fandrobana ity, na dia efa tao amin’ny efitra voalohany aza ireo mpandroba dia toa tsy afaka nihetsika mihitsy ireo tany amin’ny efitra sasany. Fotoana elaela taty aoriana vao nahafantatra ny fisian’ity fanafihana ity ny mpitandro filaminana. Misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser