- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Trano lehibe may, potika ny entana tao ambony rihana

Anosibe : Trano lehibe may, potika ny entana tao ambony rihana

trano-may-(3)Raha samy mbola variana amin’ny asany ny rehetra, nisy fofona lamba may nanaitra. Nisahotaka ny mponina ary niantso « pompiers ».

Omaly alarobia, nisy haitrano niseho teny Anosibe. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa hoe vokatry ny tsy fetezana tamin’ny tariby mitondra herinaratra no nahatonga izany fahamaizana izany. Be ihany ny zavatra simba, may tanteraka ny efitra iray any ambony rihana, tao amin’ny efitra fandraisana. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy. Omaly, ny manodidina no nahare fofona lamba may. Samy nifanontany tena ary samy nijery ny tranony. Efa elaela vao nisy nahatsikaritra fa avy ao amin’ilay trano misy rihana roa no nisy afo nivoaka tamin’ny varavarankely. Nisahotaka ny rehetra ary nisy ny niantso ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalana. Teo am-piandrasana azy ireo, nifandrimbona ny lehilahy teny an-toerana ary niezaka nanao izay hamonoana ny afo. Tonga ny “pompiers” ary dia maty ihany izany afobe izany. Soa aloha fa tsy nisy olona tao amin’ilay trano tamin’ny fotoana nahamay azy. Maro kosa  ny resaka re teny an-toerana mikasika ity hain-trano ity. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana no hahalalana ny tena marina mikasika izany. Efa mandeha ny famotorana isan-karazany amin’izao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser