- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Tranona pasitera voatafika, lasa ny vola sy ny volamena

Anosibe : Tranona pasitera voatafika, lasa ny vola sy ny volamena

Napoakan’ireo jiolahy ny basy rehefa avy nanafika ry zalahy. Hampiatahorana ny olona no anton’izany

Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy, tamin’ny 1 ora maraina, notafihan’andian-jiolahy miisa efatra ny trano telo teny amin’ny faritra Anosibe. Araka ny vaovao fantatra dia tranona pasitera ny iray tamin’ireo. Nahamarika ity farany fa efatra no isan’ireo mpandroba tonga teny ary nitondra basy toy ny Klach sy PA. Niditra an-keriny fotsiny izao ry zalahy. Rehefa tao an-trano izy ireo dia nambanany basy ny rehetra ka tsy nisy sahy nihetsika fa dia nanaraka izay nolazainy fotsiny. Lasa tamin’izany ny vola tao an-trano, ny firavaka volamena ary ny telefonina. Soa aloha fa tsy nisy nokitihan’ireo olon-dratsy ny olona, fa rehefa nahazo izay notadiaviny izy ireo dia lasa nandeha. Tsy tao amin-dry pasitera ihany anefa ireto jiolahy ireto no nangalatra fa nifindra tao amina trano roa tsy lavitra teo. Voalazan’ny vaovao fa sahala tamin’ny nidirany tao amin’ilay trano voalohany ihany no nibosesehany tamin’ireo trano hafa. Nambanana basy, tsy nisy sahy nikorapaka, dia lasa avokoa izay zavatra sarobidy. Raha vao azon’izy efa-dahy izany dia lasa nandeha izy ireo. Tamin’izay fotoana izay vao nanapoaka basy izy ireo. Angamba hampihemotra izay miseho hanenjika azy. Efa tonga teny an-toerana ny polisy avy ao Mahamasina nizaha ifotony ity raharaha ity.

Fa tao anatin’ny herinandro iray dia mpitondra fivavahna roa izany no notafihan’ny mpandroba. Ity teny Anosibe ity ary ilay tany amin’ny faritr’Ambohimandroso. Tamin’io fandrobana io moa dia maty notsindromin’ny mpangalatra tamin’ny antsy Ramatoa vadin’ilay pasitera. Norasaina ihany koa ny zanany vao kely ka naratra mafy. Tamin’ny fanambaran’ilay mpitondra fivavahana dia ny hamono azy telo mianaka mihitsy no tena tanjon’ireo jiolahy tamin’izay. Afaka nandositra anefa ilay lehilahy fa ny zanany no tavela ary dia io naratra mafy io.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser