- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Vehivavy roa voatifitry ny basy teo amin’ny tongony

Anosibe : Vehivavy roa voatifitry ny basy teo amin’ny tongony

Vao tsy dify akory ny masoandro dia efa nirefotra ny basy tetsy Anosibe. Mpivarotra teo amin’ny manodidina ilay olona nataon’ny jiolahy lasibatra no voatifitra.

Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia nandriaka ny rà tetsy Anosibe. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo, tonga nanafika ny ramatoa iray izay tompon’ny toeram-pivarotana zezika ny jiolahy enina. Mitam-basy roa izy ireo, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. “Handeha hamonjy ny fiara ilay ramatoa no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra ny vola teny aminy. Nisy olona mba namonjy azy anefa raha nahatsikaritra ny zavanisy. Ireo indray no voatifitra teo amin’ny tongony, vehivavy roa izy ireo” raha araka ny fitantaran’ny olona izay nahita teny an-toerana. Namarinin’ny mpitandro ny filaminana rahateo izany vaovao izany. Noho ny fidirana an-tsehatr’ireo olona ireo dia mba tsy lasan’ireo jiolahy ny vola fa niparitaka tamin’ny tany kosa. Nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo olona telo. Raha ny fantatra mantsy dia nisy iray fanintelony izay voavelin’ny kibay ihany koa tao anatin’ity fanafihana ity. Mbola ao anatin’ny ora fivezivezen’ny olona maro tamin’ny dimy ora hariva, mbola nisy masoandro aza tamin’io fotoana io, hany ka mazava be ny manodidina. Tsy nahoan’ireo olon-dratsy mitam-piadiana izany toe-javatra izany mba hanatontosana ny asany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary nanao fisafoana ny teo amin’ny manodidina, hatrany amin’ny elakelan-trano rehetra tany. Tadidin’ny olona ny tarehin’ireo olon-dratsy, satria tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Mandeha arak’izany ny fanadihadiana izay miainga amin’ny famantarana ireo olon-dratsy  avy amin’ny fanazavan’ny olona sy ny fomba nananovan’izy ireo ny fanafihana.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser