- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Vehivavy voatsindrona antsy, hita faty teo amin’ny arabe

Anosibe : Vehivavy voatsindrona antsy, hita faty teo amin’ny arabe

Nahitana rà teo amin’ny arabe, teo ambanin’ity vehivavy iray, manodidina ny 40 taona mahery, toa efa tsy nisy aina intsony teny Anosibe. Nikorapaka avokoa ireo mponina teo amin’ny manodidina nahita ity tranga mampalahelo ity, tokony ho tamin’ny 12 ora alina mahery kely teo. Rehefa nojeren’ireo fokonolona akaiky anefa, dia tao ambanin’ny elanelam-peny no nivoaka ireo rà velona nanamando ny arabe. Nambaran’ireo mponina teny an-toerana, fa olona tsy mipetraka eo amin’ny manodidina ity vehivavy. Tsy nisy ihany koa ny taratasy nahafahana namantatra azy teny aminy, raha ny fanazavana azo. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nizaha ny zava-misy ary nitondra ity vehivavy ity tany amin’ny toeram-pitsaboana. Mbola nisy aina kely ihany mantsy izy io, raha ny fantatra hatrany tamin’ny fotoana nitondrana azy tany amin’ny hôpitaly, saingy indrisy fa namoy ny ainy raha vao tonga tany. Raha ny fanazavana avy tamin’ireo mpitsabo nijery ny razana, dia simba tanteraka ny ati-fivavian’ity vehivavy ity. Toa notrobarana ny antsy izany mantsy io taova io, ka nahatonga ireo rà nijininika teo amin’ny arabe. Ny fizahana ihany koa no nahalalana, fa nisy nahitana mangana ny vatany. Antony roa izay nahatonga ireo mpitsabo hieritreritra fa, mety ho naolana ity vehivavy mahantra ity. Tsy nanaiky mora izany anefa izy ka nodarohan’ireo olon-dratsy sy nifampitolomana. Nampiharana habibiana tsy roa aman-tany nony avy eo, ka notrobarana zava-maranitra tao amin’ny fivaviany. Ny habetsaky ny rà very sy ny fahapotehan’ny taova tao anatiny no mety ho antony iray namoizany ny ainy. Vinavina avokoa anefa izany, fa hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena nahazo ity vehivavy ity. Na izany aza dia efa eny am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser