- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Voasambotra i Lavakely nitifitra nahafaty sy nanendaka mpiantsena

Anosibe : Voasambotra i Lavakely nitifitra nahafaty sy nanendaka mpiantsena

Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 avy etsy Mahamasina ny mpanendaka iray antsoina hoe Lavakely. Efa ela no nikarohan’ny mpitandro filaminana azy io, saingy izay izy vao tratra. Vaovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse Fasan’ny Karàna izy no nisy nahita. Natao ny vela-pandrika koa dia noraism-potsiny ny anao lahy. Anisan’ireo jiolahy nenendaka vehivavy niantsena teny amin’ny tetezan’Anosibe izy, roa volana lasa izay. Voatifitra indroa teo amin’ny kibony io olona io ka maty ary avy eo voaendaka. Anisan’ny naman’ilay antsoina hoe Dedekely izy. Ity farany moa no tratra voalohany ary efa migadra eny Tsiafahy nanomboka tamin’ny faha- 28 oktobra lasa teo. Ity andian-jiolahy ity koa dia fantatra fa nanendaka ilay Karàna teny Anosibe ihany, izay nahazoany volabe tokoa.

19 taona i Lavakely, monina ao Mandrangombato II Anosibe. Ny loharanam-baovao no nahafantarana fa misy naman’izy ireo voarohirohy tamin’ity famonoana olona ity mbola karohin’ny polisy. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity jiolahy ity.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser