- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Voasambotra ilay mpanendaka mpitaingina moto

Anosibe : Voasambotra ilay mpanendaka mpitaingina moto

Tovolahy iray 24 taona no voasambotry ny polisy teny Anosibe, raha saika hanendaka olona nitaingina moto, ny 10 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Polisy manao fanamiana sivily nandeha fiara mpitatitra no nahatazana azy nanaraka sy namoha ny sakaosy nobaben’ilay lehilahy nitaingina moto teny an-dalana. Nidina ny fiara avy hatrany ilay polisy ka nanenjika ity mpanao ratsy izay tsy lasa lavitra dia voasambotra.  Nandritra ny famotorana azy tao amin’ny kaomisaria Mahamasina no nahafantarana, fa efa mpamerin-keloka ny tovolahy. Vao 13 taona monja izy dia efa mpanendaka. Efa in-telo izy no niditra am-ponja noho ny resaka fanendahana hatrany. Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja eny Antanimora.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici