- Publicité -
jeudi, juillet 31, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : Voasambotra Ralavaloha sy Lekambana, jiolahy rain-dahiny

Anosibe : Voasambotra Ralavaloha sy Lekambana, jiolahy rain-dahiny

Mba hilamina amin’izay. Io no hetahetan’ny mponina eny amin’iny faritra Anosibe sy Andavamamba iny taorian’ny nahasamborana ireto telolahy, fantatra fa jiolahy rain-dahiny eny an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Voasamabotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava tokoa mantsy Ralavaloha, sy ry Lekambana. Fanendahana miaraka amin’ny fitaovam-piadina, fanafihana mitam-basy sy ny maro samihafa no tena nampikaikaika ny mponina tamin’izy telolahy ireto. Raha ny fantatra aza dia vao iray volana lasa izay no nisy olona notsindromin’izy ireo ny antsy teny amin’iny faritra Ambilanibe iny, mba hangalàn’izy ireo fotsiny ny finday sy ny “tablette” teny aminy. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo zandary ihany koa dia isan’ireo tompon’antoka tamina fanafihana mitam-basy maromaro nitranga teny an-toerana izy telolahy ireto. Fantatra ihany koa fa mbola misy naman’izy ireo mandehandeha any, izay mitazona ny basy entin’izy ireo manafika. Karohina fatratra ity farany ity amin’izao, araka ny fanazavàna azo hatrany. Eo anatrehan’izany, dia miantso hatrany ireo mpitandro filaminana ny mba hampandrenesana azy ireo avy hatrany raha vao misy olona mampiahiahy. Ary indrindra ny tsy hisalasalàna sy tsy fahatahorana ny amin’ny fametrahana fitoriana rehefa fantatra fa olon-dratsy ilay olona, na inona fandrahonana ataony na inona. Hatolotra eny an-tanan’ny fitsaràna ireto jiolahy raindahiny ireto, rehefa vita ny fakàna am-bavany azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici