- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Voatsatok’antsy ilay mpanao gazety

Anosibe : Voatsatok’antsy ilay mpanao gazety

Izy hamonjy fodiana ary nandeha tamin’ny elakelan-trano no notsenain’ny mpanendaka mitazona zava-maranitra toy ny sabatra sy ny antsilava. Ny alin’ny talata teo, tamin’ny 10 ora alina, no nisehoan’izany asan-jiolahy izany tetsy Namontana. Lasa avokoa ireo fitaovana fampiasa amin’ny asany maha-mpanao gazety sy mpanolotra fandaharana eo anivon’ny onjam-peo iray eto an-drenivohitra. Tsy vitan’izany fa mbola voatsatok’antsy intelo koa izy, teo amin’ny kibo sy hatoka ary ny tongony. Ny hany tsy lasan’ireo olon-dratsy dia ny findainy izay natsipiny tao anatin’ny maizina raha vao hitany ny fiavian’ireo mpanendaka. Naratra mafy ary tsaboina ao amin’ny Hjra ilay mpanao gazety nanomboka ny amin’ny talata.

D.R 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici