Navotsotra ilay lehilahy izay voarohirohy ho mpangala-jaza. Omaly no niakatra fampanoavana ny tenany ka nahazoany fahafahana vonjimaika taorian’ny fihaonoana azy. Tsy tonga ny mpitory, tsy tonga ihany koa ny vavolombelona ary vao mainka izany nanamaivana ny fanenjehana ara-pitsaràna. Ankoatr’izay dia isan’ny nivoitra tamin’ity raharaha ity fa tsy zaza nangalarina izany ilay hita teny an-tànan’izy telo lahy izay voarohirohy mazava loatra ho mpangala-jaza. Faty izay hoentina halevina izy io raha ny araka ny fanampim-panazavan’ny polisy. Nandalo teo Ambilanibe-Anosibe ny lalana izay nolalovan’ireo vatan-dehilahy handevina. Nahatsikaritra ilay zaza izay notaterin’izy ireo ny olona sasany dia nandeha amin’izay ny feo fa mpangala-jaza ireo olona. Vetivety foana dia vory vahoakan’ilay tanàna. Toerana be olona rahateo Ambilanibe ary sioka tokana dia efa mivoaka ny iray tanàna rehefa misy zavatra mifamahofaho. Tsy nisy resaka firy akory fa dia nolazaina ho mpangala-jaza ireo telo lahy. Tsy nanan-kevitra intsony ireo ankoatry ny nanavotra ny ainy. Natsipin’ireo ny maty dia nanavo-tena ny velona. Tao anaty tsikafona sisa no hany fika farany mba hialàna tamin’ny fitsaram-bahoaka. Ny olona indray dia tsy sahy niditra tao fa kosa nampandre ny polisy izay nanao ny fisamborana avy hatrany rehefa tonga teny an-toerana. Nivadika tanteraka izany ny fahazoan’ny olona ity tranga ity noho ny siosio kely izay nandeha. Tsy hita izay porofo azo nitazomana ny olona izay voarohirohy rehefa nanazava ny rehetra izy. Endrika iray manamafy fa siosio no nandeha ny tsy fisian’ny mpitory sy ny vavolombelona. Mora andairan’ny tsaho loatra ny fiaraha-monina ankehitriny ary mitera-doza hatrany izany, ny fitsaram-bahoaka no ratsy indrindra.
D.R