- Publicité -
lundi, mai 26, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Zaza mpianatry ny EPP voaolana

Anosibe : Zaza mpianatry ny EPP voaolana

Tsy iza fa ny raikeliny ihany no nahavita an’izany. Tompon’andraikitra iray eo anivon’ilay sekoly no nahita an’ilay zazakely izay lasa marary lava sy mandringa. Isaky ny nanontaniana izay manjo azy izy dia mitomany foana. Rehefa notambatambazana anefa dia namboraka ihany ilay zaza fa naolan’ny raikeliny. Nampandrenesina ny polisy misahana ny heloka tao amin’ny zaza tsy ampy taona. Nosamborina ilay rangahy ny asabotsy teo ary naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Zana-bady no naolana, amin’izay indray vao enin-taona monja. Efa misokatra ny fitsarana momba ny ady heloka bevava saingy mbola mety tsy hahatratra an’izany aloha ity nahavanon-doza ity satria matetika dia lanian’ny mpitsara mihitsy ny fetran’ny fampidirana am-ponja vonjimaika ary mbola mety halavaina aza izany, izay vao mandeha ny fitsarana. Endrika iray entina hamaizana tsara ireo olon-dratsy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser