- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosikely : “Docker” maty teo amin’ny zaridaina

Anosikely : “Docker” maty teo amin’ny zaridaina

Nihevitra ny olona fa toy ny rehetra izay matoritory eny amin’iny toerana iny izy. Efa fanaony rahateo izany isaky ny antoandro, rehefa avy miasa eny Anosibe izy. Raha ny fantatra mantsy dia mpibata entana  no tena asany. Efa nanomboka niha-nandroso anefa ny taona dia nihena tsikelikely ny heriny ary tsy dia afaka manao izany matetika intsony izy. Ny alahady tolakandro teo dia izy mbola natoritory no noheverin’ny maro. Nisy nahatsikaritra anefa fa toa tsy mihetsika mihitsy ny vatany. Rehefa nojerena teo dia samy valalanina ny rehetra fa hay efa vatana mangatsiaka. Nezahana nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana sao sendra mba tafaverina ny ainy, saingy efa tara loatra izany. Hatreto dia aretina no heverin’ny olona fa nitarika ny fahafatesany. Natanja-be izy, saingy haingana loatra kosa dia nanomboka niha-farofy. Eo ihany ny taona fa mety ho nisy aretina nitaiza azy, raha ny fanazavan’ny olona sendra nahafantatra azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser