Trano roa an’olona samy hafa no norobain’ireo jiolahy, tany amin’ny fokontany Anosikely, any amin’ny kaominina Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’izany ny Asabotsy hifoha Alahady lasa teo. Raha ny vaovao marim-pototra voarainay tamin’ny sefom-pokontany iray monina ao Anosikely, dia nidiran-dry zalahy an-keriny tao ireo trano roa izay volaza etsy ambony ireo, ary mbola nalainy ihany koa ny omby roa nifatotra tao am-bala, nialoha ny nandehanany. Dahalo roa nirongo fitaovam-piadiana toy ny basim-borona sy zava-maranitra no tonga nanao ny asa ratsiny tao Anosikely, tamin’io fotoana io. Ankoatra ny vola an-tapirisa sy kojakojan-dakozia lasan’izy ireo, dia omby roa no lasa tamin’ilay trano notafihan’ny faharoa. Tao anatin’ny torimaso ny tompon-trano no tonga tampoka ry zalahy ireto. Tao amin’ny tokantrano iray aloha no nanaovan’izy ireo ny fanafihana voalohany. Nentin’ny tahotra ny tompon-trano, ka vantany vao nahita ireo malaso tao an-trano, dia tsy sahy nanohitra fa navela nanaram-po ireo dahalo naka izay tiany tamin’ilay trano. Mitovy tsy nisy valaka tamin’izany koa no nataon’ireo olon-dratsy an’ilay trano faharoa. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’ireto farany ihany koa ny omby tao am-bala, ka lasa nitsoaka ry zalahy rehefa nahazo izay notadiaviny. Marihina, fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy nandritra ny fanafihana niseho nataon’ireo tsy mataho-tody. Nidina ifotony tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana, raha naheno ny fampandrenesana tamin’ny fokonolona mahakasika ity asan-jiolahy ity. Mitohy hatrany kosa ny fanarahan-dia ataon’ny Zandary sy ny fokonolona, ary efa misokatra ihany koa ny famotorana sy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Ratantely