Nirongatra mihitsy tato ho ato izay ny asan-jiolahy, na teto an-drenivohitra izany na tany amin’ireo faritra manodidina. Ny alin’ny talata teo, andian-jiolahy mirongo kalaky sy poleta no tonga nanafika tao amin’ny tokantrano iray teny Anosimahavelona. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia nanao fanamiana miaramila sy nisaron-tava izy ireo nandritra io fanafihana io. Tsy nahazo vola afa-tsy telo alina ariary sy entana sarobidy sasantsany ihany anefa izy ireo tamin’izany, eny fa na dia nandaniana bala aza ity trangam-panafiahana ity. Tetsy andanin’izay kosa anefa, dia lehilahy iray no fantatra fa namoy ny ainy tamin’io fotoana io. Voan’ny balan’ireo olon-dratsy ity olona ity, raha ny fanazavana azo, ary noho ny fahaverezan-drà be loatra dia tsy tana intsony ny ainy. Ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, fotoana vitsy monja taorian’ny fanafihana, no nahafahan’izy ireo nilaza fa mety ho isan’ny naman’ireto jiolahy nanafika ihany ity tovolahy maty ity. Tsy nisy nahafantatra azy mantsy ny teny amin’ny manodidina, ary ny kara-panondrony dia nahitana ny sariny manao fanamiana miaramila. Raha ny fanazavana azo mantsy dia maty ny jiro teny an-toerana nandritra io fotoana io. Tsy fantatra izay nifanjevoana tao anaty haizina tao. Nandritra izany no nirefodrefotra ny kalaky nentin’izy ireo ary nahavoa ny iray tamin’izy ireo ihany. Efa misokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ny tena marina mikasika ireto andian-jiolahy ireto. Marihina fa talohan’io dia toa hoe saika hanafika toeram-pivarotana lehibe teny an-toerana izy ireto.
m.L