Mpamaky trano sy mpanendaka, … ary misy tamin’izy ireo no efa ela nikarohana azy, ny sasany mbola avy namita sazy tany am-ponja. Valolahy izy ireo no voasambotry ny zandary teny Anosimanjaka Ambohidratrimo ny voalohandohan’ny herinandro teo.
Mbola tafiditra ao anatin’ny hetsika « Mandio » ataon’ny eo anivon’ny zandary hatrany ny fahatratrarana ireto andian-jiolahy sarona ireto. Raha fisafoana mahazatra tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao no nokasaina natao, kanefa tafatambatra tao anaty harato avokoa ireo olon-dratsy isan’ny mpanakorontana eny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka, Ampangabe ary Anosimanjaka iny. Ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ny zandary mantsy dia hoe misy andian’olona maromaro mifoka rongony teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambany Atsimo. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo zandary ka indreo eo tokoa eny ry zalahy, tsy tafatsoaka intsony satria efa voahodidina.
Indray nikapoka ! Rehefa nosavaina ireto mpidoroka ireto dia fantatra tamin’izay fa misy tamin’izy ireo no efa ela nokarohana noho ny asan-jiolahy nataony. « Nisy moa iray tamin’izy ireo no vao avy tratra nanafika tokantrano, iray volana lasa izay, saingy nahazo fahafahana vonjimaika taorian’ny fanolorana azy teny amin’ny fitsarana. Ny iray, isan’ny lehiben’izy ireo izay tratra teo koa dia vao avy nahavita sazy tamin’ny faran’ny taona 2017, raha nigadra 5 taona an-tranomaizina noho ny fanafihana mitam-piadiana, ka efa nokarohina taorian’izany noho ny famerenan-keloka ary izao tratra izao », hoy ny fampitam-baovao. Ny ampitson’io dia nisy iray tamin’izy ireo ihany koa voasambotra. Inoana, hoy ny vaovao, fa hampihena tanteraka ny asa ratsy manjaka eny an-toerana ny fahatratrarana azy ireto.
m.L