Mahatsiravina ! Tsy nisy azo namantarana intsony ireto olona ireto, izay tena may kila tanteraka tao anatin’ny firehetan’ny trano iray, teny amin’iny faritra Anosimasina Itaosy iny ny alin’ny alarobia lasa teo. Ireo olona teo amin’ny manodidina sisa no nilaza fa mpivady izy ireo, ary izy irery ihany no mipetraka ao amin’ity trano ity. Mpivarotra harina eny an-toerana kosa ny asany. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo ho eo no nidonaka ny setroka narahana lela afo tao amin’ity tokatrano iray izay nisy azy mivady ity. Vantany vao nahita ny firehetana ireo manodidina, dia rafitra namonjy sy niezaka namono ny afo. Trano hazo izy io anefa, raha ny fanazavana azo hatrany. Hany ka vetivety monja dia niredareda tsy nisy toy izany ny afo. Nanampy izany rahateo ny toetr’andro izay nisy tsio-drivotra ihany. Nantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy niaraka tamin’ireo mpamonjy voina. Raha ny vaovao azo, dia naharitra teo amin’ny adin’ny iray mahery teo ho eo vao tena voafehy sy maty tanteraka izany afo izany. Tamin’io ihany koa no nahafantarana fa mbola nisy olona roa tavela tao amin’ilay trano, izay natao ihany moa ny famonjena, saingy tsy nisy azo natao intsony ny amin’izy ireo. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana araka ny fanazavana azo avy tamin’ny pôlisy izay misahana ny fanadihadiana. Mety ho fahamaizana nataon’olona ve sa tsy fitandremana tao an-trano ? Amin’ny toe-javatra tahak’izao, indrindra fa nisy aina roa be izao nafoy, dia tsy maintsy manokatra hatrany ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany. Ary tsy misy afa-tsy izay ihany no afaka mamaly ireo fanontaniana ireo.
m.L