Ny harivan’ny alarobia teo no niharan-doza ny fiara taxi-be Mazda mampitohy an’ Ambaniala sy Tsaralalana. Tsy fantatra marina ny nahazo ity fiara ity fa tao anaty fiakarana afaka ny Ampasika iny izy no nihemotra tampoka. Nikoropaka ireo olona tao anatiny ary samy naratra avokoa. 14 no isan’ireo mpandeha tao antiny, ka nisy ny nalefa tany amin’ny Hopitaly Itaosy ary nisy kosa ireo nalefa tany amin’ny Hopitaly HJRA.
Ny nahagaga tamin’ity tranga ity dia ny ny fitsoahan’ny mpamily sy ny mpanampy azy raha vao niseho ny loza. Hita tamin’ny alalan’ny taratasin’ny fiara anefa ny anaran’ny tompon’ny fiara , ka tsy hampanano sarotra ny fitadiavana azy roalahy ireto. Olana ara-teknika ve sa loza tampoka no niseho fa dia nanome tsiny daholo izay olona nahita ny zava-nitranga?
Toe-tsaina tsy dia mety loatra no nasehon’izy roalahy ireto, satria tompon’andraikitra amin’ny fiara entiny ny mpamily tsirairay avy, ary andraikitr’izy ireo ny misoroka sy miaro ny mpandeha ao aminy. Efa eo am-panaovana ny famotorana ny borigadin’ny zandary eny Itaosy amin’izay mety ho nahatonga marina ny loza ka hanaovana ny fanadihadiana amin’izy roalahy lasa nandositra .