- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnosimasina : Taxi-be niharan-doza, nandona taxi sy sarety

Anosimasina : Taxi-be niharan-doza, nandona taxi sy sarety

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora, nisy lozam-pifampoivoizana niseho teny Anosimasina Itaosy. Taxi-be iray no nifaoka taxi sy sarety ary nifatratra tany amina trano fivarotana fanaka. Vokany, nisy olona vitsy naratra ka anisan’izany ilay mpamily ny taxi-be. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, nitohana tsy nisy ohatran’izany ny làlana, sahala ny isan’andro. Asa izay niseho tao amin’ny eritreritr’ilay mpamily fa nisongona izy, ohatra ny mpamily taxi-be rehetra tsy miraharaha ny lalàn’ny fifamoivoizana. Ireo nahita ny loza hatrany no nitantara fa nisy fiara hafa nifanena taminy. Tsy maintsy nandeha naka sisiny amin’ny làlana tokony hizorany izy. Tamin’izay no nitranga ny loza. Notrongisiny ny taxi iray saika handray olona. Nahasimba be ny ilany havian’ilay fiara kely. Tsy vitan’izany fa, nisy sarety teo aloha mbola voadonany ihany koa ary notaritarihany. Tsy tafajanona ilay taxi-be fa tonga dia nandrava ny rindrin’ilay trano fivarotana fanaka teo akaiky teo. Nisahotaka ny olona rehetra. Ny vaovao no nahalalana fa, naratra ingahy mpamily ny fiara fitaterana. Ankoatra azy, nisy olona hafa koa niharam-boina. Ireo rehetra nanatrika ity loza ity dia samy nampiaka-peo, fa nandeha mafy ilay mpamily taxi-be na dia hita aza fa mitohana ny làlana. Tsy mahagaga, hoy izy ireo, raha miafara amin’ny loza izany.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser