- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosimasina : Tovolahy maty voahitsaky ny saretiny, potika ny lohany

Anosimasina : Tovolahy maty voahitsaky ny saretiny, potika ny lohany

Ireny sarety tarihin’omby misy kodiarana vy ireny no nampiasain’ity tovolahy vao maraina nitoana fasika. Ny talata maraina teo no nisehoana loza mahatsiravina nahafatesana tovolahy iray 17 taona teo ampitan’ny Horizon Ivato, eny Itaosy. Nikarama mandraoka sarety mitaona fasika sy biriky izy. Feno fasika ity sarety ary kaomandin’olona handeha haterina maraina, maika noho izany ity tovolahy, satria sady mbola hianatra no nampitohana ny fifamoivozana ihany koa ny fandehanan’ity omby mitarika ilay sarety. Nisy zavatra nanaitra ireo omby anefa, nidina tamin’izany ilay tovolahy mba hampitony ireo biby ka teo no niseho ny loza. Voalazan’ny nanatri-maso fa iny izy nidina iny no nibolisatra ka nisarongotra ny akanjony. Avy eo, nianjera tamin’ny tany, segondra no nisaina dia tonga teny amin’ny lohany ilay kodiaran-tsarety vy ka tsy nisy azo natao intsony fa maty tsy tra-drano ilay tovolahy. Navesatra dia navesatra moa ilay sarety feno fasika ka nipariaka nanenika ny arabe ny rà.  Nivarahontsana izay nandalo raha nahita ny razana nihoson-drà nivalampatra teo amin’ny arabe. Mipetraka eny Ampasika moa ity tovolahy ity, ny andro rahateo koa maraina amin’ny ora fivoahan’ny olona miasa iny no sady mampitohana ny fifamoivozana ka tonga ny zandary tao amin’ny borigadin’Itaosy ary nibata ny razana ka nandefa izany teny amin’ny tranom-paty hopitaly HJRA Ampefiloha. Omaly hariva ihany dia efa nalain’ny fianakaviana ny razana. Tena vetivety tokoa ny fisehoan-javatra ary fibolisirana kely no namoizana aina. Mila mitandrina ihany ireo mpandroaka sarety na dia asa efa mahazatra ary satria ny tampoka tsy mahalehilahy .

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser