Nandriaka ny rà ! Nitrangana loza mahatsiravina naharatra olona, ny tao amin’ny reniranon’ikopa, tao amin’ny toerana antsoina hoe Anosimbolamena, kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny Zoma lasa teo tokony ho tamin’ny enina ora hariva. Rehefa nivoaka ny trano noho ny hafanana mihoapapana aty an-toerana dia nikasa hamonjy rano izy mivady ireto no notongavana voay tampoka ilay lehilahy tamin’io fotoana io. Efa teny ambony ny tratrany ralehilahy ilay voay vao samy taitra izy roa, ka niantso vonjy malaky teny an-tanàna ramatoa. Ny leilahy moa mbola nifanjevona irery tamin’ny voay tao anaty rano, izay somary marivo ihany izany. Rehefa nokibiana kosa ny voay tonga dia lasa nitsoaka namonjy ny rano laliny niaraka tamin’ny nonony sy ny fehiny ranamana. Vetivety monja ny fahatongavan’ireo olona teny amin’ny manodidina saingy efa tsy teo ny voay, fa ilay lehilahy naratra sisa notazana nitsirara teny amin’ny torapasika, ka voatery noentina haingana eny amin’ny hopitaly noho ny rà mikorina be loatra. Efa manaraka ny fitsaboana sahaza azy eny amin’ny hopitaly moa ilay lehilahy hatreto.
Ratantely