Nirefodrefotra tsy nisy fandrenesana ny poa-basy nataon’ireo malaso efapolo lahy tao an-tampokara, any amin’ny tanàna atao hoe: Anosimiditra, fokontany sy kaominina Maria ihany, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny marainan’ny alahady faha 6 Aprily taona 2025 teo, tokony tamin’ny dimy ora tany ho any no nisehon’izany, raha ny fampitam-baovao voaray tamin’Atoa ben’ny tanàna any an-toerana hatrany. Nihezaka nanohatra ny vatan-dehilahy teo an-tanàna, saingy maro ireo naratra voafira famaky sy voatsatok’antsy tamin’ny kibony, lohany tamin’izy ireo. Tokony tamin’ny sivy ora maraina vao niala tao » Anosimiditra, » sady nitondra olona niisa dimy natao takalon’aina, niaraka tamin’omby niisa telopolo tao anaty vala, niampy lovia, volamena vola, fotsim-bary, ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana nataony. Rehefa nahazo antso an-tariby ny Zandary dia niroso tamin’ny farahan-dia tsy nisy hatak’andro niaraka tamin’ny fokon’olona, izay nifanao aloha sy aoriana tamin’ireo jiolahy, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany: votsotra nandritra ny fifandonana ireo olona niisa dimy natao takalon’aina, saingy naratra voafira famaky teo amin’ny lohany ny tovolahy iray tokony 18 taona, anisan’ny natao takalon’aina. Nisy hatrany ihany koa ny omby raraka nandritra izany, ary nanohy ny lalana somary hihazo an’Antanimbaribe, any amin’ny disitrikan’i Kandreho iny ny dahalo, raha ny vaovao voaray farany. Efa noentin’ny mpiara-monina tamin’ny sarety, any amin’ny CSB-II Maria sy Mahazomà an-tampon-tanàna ny olona maromaro tsy voafaritr’isa naratra nandritra fanafihan-dahalo niseho, raha noentina aty amin’iny hopitalibe Morafenokely/Maevatanàna kosa ny roa tamin’ireo naratra tao Mahazomà. Mitohy hatrany ny farahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy, ary efa any amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Maria ihany koa ny kaomandy ny kaompanian’ny Zandary eto Maevatanàna.
Ratantely