Mampihoro-koditra ! Lehilahy iray manodidina ny 50 taona any ho any no vaky loha sy nipotsaka ati-doha tetsy Anosimpatrana omaly vao maraina be. Efa vatana mangatsiaka sisa no hitan’ny olona. Raha ny fiheverana ny zava-nitranga araka ny filazan’ireo mponina dia mety ho voadonan’ny fiara ity lehilahy saingy tsy fantatra ary tsy tazana teny an-toerana intsony ilay nahavanon-doza. Samy tsy nisy nahatsikaritra ity lozam-pifamoivoizana nitranga teny Anosimpatrana ity avokoa ny rehetra. Raha ny fantatra mantsy dia efa ity rangahy ity nitsirara teo am-pivoan’arabe no hitan’ny fokonolona nandeha maraina. Azo eritreretina ho tany amin’ny 3 ora maraina tany ho any no nitrangan’ny loza. Ny mahagaga anefa hoy ireo mponina, tsy nisy nandre feona hisatra na zavatra voadona ireo mponina teny an-toerana. Novonoina sa loza tsy nampoizina ? Mbola tsy fantatra hatreto izay tena zava-nitranga. Efa tonga teny an-toerana rahateo ireo mpitandro filaminana, izay efa fotoana ela taty aoriana vao nahalala ny zava-nitranga. Raha ny siosion-dresaka mandeha eny an-toerana mantsy dia mety ho natao fanahiniana mihitsy izao. Vaky tanteraka mantsy ny teo amin’ny handriny, toy ireny natao fanahiniana natao ambany kodiarana ireny. Hany ka niparitaka teo manodidina ny lohany teo ny ati-dohany, izay voatery noraofin’ny olona. Ambonin’izay dia samy nilaza ho tsy nahafantatra ity rangahy ity avokoa ireo fokonolona teny an-toerana. Teny aminy rahateo, raha ny fanazavana azo hatrany dia tsy nahitàna taratasy nahafahana namantatra azy. Naterina avy hatrany any amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly etsy Ampefiloha ny razana taorian’ny fizahan’ireo tompon’andraikitra. Efa misokatra kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L