- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnosimpatrana : Vehivavy voahitsaky ny kamiao, nipotsaka ny ati-dohany

Anosimpatrana : Vehivavy voahitsaky ny kamiao, nipotsaka ny ati-dohany

Loza mahatsiravina no nitranga teny Anosimpatrana omaly maraina. Vehivavy, sahabo ho 23 taona any ho any no maty tsy tra-drano rehefa nohitsahin’ny fiarabe iray teny an-toerana. Tsy nisy nahafantarana azy intsony ny lohany, izay potika sy « fisaka » tanteraka ara-bakiteny. Nipotsaka teo ihany koa ny ati-dohany. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany maraina teo no nitranga ny loza, raha ny filazan’ny teny amin’ny manodidina. Kamiao « semi-remorque » vao avy naka entana, teny amin’iny digue, ary hizotra ho any Tanjombato ity namoa-doza ity. Tamin’io fotoana io, dia nisy vehivavy iray, izay fantatra fa irony mpivarotra « sambos » mandehandeha irony, nifanindran-dalana tamin’ity fiarabe ity. Na dia nanaraka sisin’arabe ihany aza io vehivavy io ary nandeha tamin’ny lalany ihany koa ilay fiarabe dia tsy nahasakana ny loza tsy ho avy izany. Nisy fasika nitoby mantsy teo amin’ny sisin-dalana ary nisy fiara izay ihany koa somary hiomana hivily. Niala ity fiara ity, ilay vehivavy ary nihanika ho azy teny ambonin’ilay fasika. Nabolisatr’ity farany anefa izy, nianjera ary avy hatrany tany ambanin’ny kodiaran’ilay « semi-remorque ». Nitety ny tratrany ny kodiarana ary nahazo ny lohany nony avy eo. Tsy fantatry ny mpamily akory anefa izay tranga mahatsiravina izany, raha tsy olona nahita no nihikiaka sy niteny taminy. Efa tsy nisy azo natao intsony anefa, tamin’io fotoana io ny amin’ity vehivavy ity. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny pôlisy taorian’ity loza niseho ity. Fantatra kosa fa notazomina ao Tsaralalàna ity mpamily nahafaty olona ity, hanaovana fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici