Malaza amin’ny asa fanendahana ny faritra maro eto an-drenivohitra. Nitaraina mafy ny teny Ampitatafika sy Anosipatrana fa mirongatra ny asa fanendahana, fanolanana sy fanafihana isan-karazany ary indrindra ny fifohana zava-mahadomelina. Ity fidorohana rongony ity no voalaza fa rangory fototry ny afo. Naharay vaovao ny mpitandro filaminana ao amin’ny « poste avancé » Ilanivato. Ireo indray no nanaparitaka tany amin’ny toerana rehetra iasan’ny polisy ny fisian’ny mpanendaka. Niasa teo no ho eo ny avy ao amin’ny BC sy ny SAG ary dia niafara tamin’ny fisamborana ireo efa-dahy. Ny faha-14 desambra teo, no nidina teny an-toerana izy ireo. Anisan’ny nampihorohoro eny an-toerana izy ireo ary ampangaina ho nahavita ireo heloka voatanisa eo ambony ireo.
Amin’izao ankatoky ny fety izao, toerana maro dia maro dia ahenoina asa fanendahana sy sinto-mahery amin’ny faritry ny renivohitra. Matahotra ireo mpiantsena, mpividy sy mpandafo entana. Toa tsy mitsitsy ireo jiolahy. Ao ireo hita eny an-tsena toa an’Analakely, Petite Vitesse, Behoririka, Isotry, Andravoahangy, Mahamasina. Ny faritra voalaza fa mena koa dia tsy mandry andro tsy mandry alina.
r.s.