Nisy hain-trano niseho namoizana ain’iolona, teny Anosipatrana afak’omaly alina tokony ho tany amin’ny 11 ora tany ho any. Ankizy vavy 16 taona sy zaza lahy kely 4 taona no fantatra fa maty kilan’ny afo tamin’izany. Olona roa hafa, ny rain’ireo ankizy sy ankizy lahy 8 taona no mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao fotoana izao. Afaka nanavotra ny tenany kosa ilay renim-pianakaviana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa afo narehitra tao an-trano ihany no nahatonga ny fahamaizana. Nitady labozia harehitra ilay raim-pianakaviana. Tsy nahita anefa izy, koa dia bozaka no nampirehetiny. Tao an-trano anefa, bozaka ihany koa no sesikidoro. Tsy fantatra na noho ny tsy fitandremana ,fa avy hatrany dia nihanaka ny afo. Efa alina moa ka ankevitry ny sondrian-tory avokoa ny rehetra ankoatra ilay nampirehitra afo sy ramatoa vadiny. Tsy nisy afaka nandeha nivoaka araka izany, satria dia vetivety tokoa ny fiitatry ny afo.Tavela toa ilay rangahy sy ny zanany telo. Ilay renim-pianakaviana no tafavoaka, araka ny vaovao voaray hatrany. Niezaka niverina ihany izy haka ny zanany, nefa efa tena nahery be ny lelafo koa dia niverina nanavo-tena fa saika may ihany koa. Tonga nanampy ny famonoana afo ny manodidina raha nahare ny kiakiakan’ilay ramatoa.
Nifandamina ny rehetra nitondra ireo may tany amin’ny hopitaly. Efa tafalatsaka lalina anefa ny fahamaizana ho an’ireo mianadahy maty, koa dia tsy nisy azo natao intsony tamin’izy ireo. Marihina fa trano biriky misy rihana ity nirehitra ity.
nangonin’i r.s.