- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Kalachnikovs roa namidy, roalahy nosamborin'ny BC

Anosipatrana : Kalachnikovs roa namidy, roalahy nosamborin’ny BC

An’ny mpitandro ny filaminana ireo basy mahery vaika ireo ary saika hamidy an-tsokosoko amin’ny jiolahy. Ny talata lasa teo ny fotoana nifanomezana ka teny amin’ny fasan’ny karàna teny Anosizato aloha no natao izany. Mailo tanteraka ireo mpivarotra basy ka nanova ny toerana indray. Natao teny Anosibe indray nony avy eo ary mbola tsy tonga ihany ny mpitondra ny basy. Efa harivariva vao tena tontosa ny fotoana, izay ny niafarany teny Anosipatrana. Ny tsy fantatr’ireo olon-dratsy dia ny hoe efa pôlisy manao fanamiana sivily ireo nifanao fotoana taminy. Olona roa no voasambotra teo ka natolotra ny fampanoavana omaly ary naiditra am-ponja vonjimaika. Mbola mitohy kosa ny fanadihadian’ny pôlisy misahana ny raharaha heloka bevava ary izany dia miezaka ny hahafantatra ny toby nivoahan’ireo basy ireo sy ny mety ho tompon’andraikitra amin’izany. Isan’ny andrasana ny valin’izany sy ny hoe ho sahy handeha hatramin’ny farany ve ny BC amin’ity fanadihadiana ity ary koa, hanampy azy ve ny fitsarana ao anatin’izany mba hiadivana amin’ny fiparitahan’ny basy izay fototry ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana.
D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici