Namoa-doza indray ny kamiô-be mpitatitra fako teny Anosimpatrana, omaly maraina. Rehefa avy nandona fiara teo anoloany mantsy ity fiarabe ity dia nifatratra tany anaty tranon’olona. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Araka ny fantatra teny an-toerana dia manodidina ny tamin’ny 7ora maraina teo ho eo ity lozam-pifamoivoizana ity no niseho, teo akaikina fiantsoanana taxibe teny an-toerana. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny loza, raha ny filazan’ny mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana. Azo eritreritina avy hatrany anefa fa mety ho resaka tao amin’ny hisatra indray izany, na olana ara-teknika hafa tsy nahafan’ity fiarabe mavesatry ny fako ity nijanona. Sahotaka avokoa ny an’ireo fokonolona teny an-toerana, raha nahita ilay kamiô nitsotsotso avy any, ary samy namonjy ny ainy avokoa. Potika tanteraka tetsy an-danin’izay ilay tranon’olona nifatraran’ity fiara ity. Eto dia mipetraka indray ny fanontaniana eny amin’ireo mpanara-baovao, ekena fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy, na izany aza anefa, mba maharary ny vahoaka ny nanangana ny tranony. Iza indray ary araka izany no hanolo izay simba ? Sa ve dia entina toy ny mahazatra hatrany hoe, simbasimba foana sy sanatria matimaty foana toy ny biby izay voadonan’ireny fiara ireny ? Ary efa impiry miantso ireo mpampiasa lalana ny amin’ny tokony handraisan’ireo tompon’andraikitra fepetra ny amin’ny fanamboarana ireny fiara ireny, fa toa mbola tsy misy izany ankehitriny ary dia izao namoa-doza izao indray izy ireo. Sa ve izany ilay hoe « ny ataoko ihany no ataoko fa henoy izany ry hazon-damosiko » …
m.L