- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Mpanao asa soa voaroban’ny jiolahy mitam-basy

Anosipatrana : Mpanao asa soa voaroban’ny jiolahy mitam-basy

Efa tsy mifadi-trovana ! Ny sasakalin’ny krismasy teo dia fiara iray, izay nisy tanora vitsivitsy avy nizara fanomezana ho an’ireo fianakaviana sahirana amin’izao fetin’ny Noely izao no notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tetsy Anosipatrana. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny zavatra sarobidy rehetra teny amin’ireto tanora ireto. Raha ny fampitam-baovao azo dia toa hoe efa an-dàlana hody, hanatitra tsirairay ireto mpanao asa soa, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, omaly no izao tratry ny tsy nampoizina izao, raha iny niala avy eo amin’ny « rond point » Anosibe, hiditra ho any Anosipatrana iny. Hiaraha-mahalala fa sady mangina ilay lalana, maizina no sady ratsy ka tsy dia afaka mandeha mafy loatra ilay fiara. Nandrasan’ireo andian-jiolahy maromaro, ilay nijanona nametraka olona iny mihitsy ilay fiara, no avy hatrany dia nobahanana sy nohodidinin’ireo olon-dratsy. Voambana basy ny mpamily ka tsy afa-nihetsika ary nalain’izy ireo ihany koa ny lakilen’ny fiara. Tsy vitan’izay fa mbola noratrain’ireo tsy valahara ireto ihany koa ilay mpamily. Ary rehefa voafehy tanteraka, izay vao nanararaotra nanangona sy naka izay zavatra sarobidy, toy ny finday sy firavaka tany amin’ireo mpandeha izy ireo. Saika hampihatra ny filan-dratsiny tamin’ny tovovavy roa tao anaty fiara aza ireto olon-dratsy saingy tsy azony izy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Rehefa nahazo izay nilainy ireto jiolahy, izay niisa teo amin’ny dimy teo dia niala moramora, toy ny tsy nanao na inona na inona nanafina ny basiny tanaty akanjo. Efa eny am-pelan-tanan’ireo tomponandraikitry ny filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici