Voasambotry ny polisy avy ao Ilanivato ny lehilahy fantatra fa manendaka sy manafika ireny olona mpaninjara fahana finday ireny. Teny Anosipatrana ity olona ity no tratra tamin’ny sabotsy lasa eo. Naharay fitarainana avy amin’ireo olona niharan’ny endaka ny mpitandro filaminana noho ny zavatra nahazo azy. Natao ny fikarohana ka dia izao tratra izao ity jiolahy ity. A. Angelo no narany ary 23 taona izy. Ireo olona mandeha moto maninjara fahana no tena lasibatra. Ny iray voa farany dia mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly noho ny ratra nahazo azy. Rehefa nofotorana ilay mpanendaka dia fantatra fa efa nigadra valo volana izy io fa nahazo famelan-tsazy. Tsy mandeha irery izy rehefa manao ny asa ratsiny. Amin’izao fotoana izao, misy namany roa karohina. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity bandy ity.
r.s.