- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Mpitandro filaminana sandoka, mampihorohoro olona amin’ny basy

Anosipatrana : Mpitandro filaminana sandoka, mampihorohoro olona amin’ny basy

Ny alahady lasa teo, teny amin’iny faritra Anosipatrana iny, lehilahy iray antsoina hoe Beloha no voatery notazomin’ny pôlisy, rehefa nahatratrarana basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny fitoeram-bala sy bala dimy tany aminy, tsy nisy taratasy. Tamin’ny fanadihadiana ity farany, araka ny fampitam-baovao azo, dia efa nigadra 11 volana ny lehilahy noho ny resaka fisandohana ho mpitandro filaminana. Ankehitriny dia toa mbola tohizany hatrany izany resaka izany, amin’ny alalan’ity fitazomany fitaovam-piadiana ity. Ny basy eny an-tanany, araka ny filazany tamin’ny famotorana natao azy hatrany, dia entiny hampihorohoroana sy hampitahorana ireo olona mifamaly aminy. Iza tokoa moa no olon-tsotra tsy hifezaka rehefa vava basy no eo anoloana.

Ny antoandron’ny alahady teo no voasambotra i Beloha, nandritra ny fisavàna tsotra natao azy. Araka ny fantatra mantsy, nandeha môtô tsy nanao aroloha ity lehilahy ity tamin’ny fotoana nahitan’ireo mpitandro filaminana azy. Tamin’ny fisavàna ny taratasy teny aminy no somary kaodikaody ny lehilahy ka nahatonga ireo pôlisy hisava ny sakaosy nentiny. Tamin’izay no nahitana ireo basy sy bala tany aminy. Noraisim-potsiny i Beloha tamin’io fotoana io. Omaly moa izy raha ny fantatra no natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany indray.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici