- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Sarona ny rongony 63 kg avy any Toliara, saika haparitaka eto...

Anosipatrana : Sarona ny rongony 63 kg avy any Toliara, saika haparitaka eto Antananarivo 

Loharanom-baovao avy tamina olona tsara sitrapo no nahalalan’ny Polisy avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny zava-madomelina  eo anivon’ny Polisim-pirenena etsy Anosy, fa misy rongony amina gony maromaro vao tonga avy any Toliara, ao amina tokantrano 1 eny Anosipatrana. Tsy nanamaivana izany ireo polisy ka nanao fizahana teny an-toerana,  ny Zoma  19 aprily 2019. Nandritra izany no nahatrarana ity lehilahy iray, 36 taona, eo am-pivarotana rongony tao amin’io trano io, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Niroso tamin’ny fisavana ilay trano avy hatrany ireo polisy ka hita tamin’izany  fa milanja 63,3kg izay nafeniny tao anaty valizy 2 sy gony lehibe 1. Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky izy, fa azy tokoa ireo rongony ireo ary vao tonga avy tany Toliara, ny 16 Aprily lasa teo. Nambarany fa novidiny 1 000 000 ariary ireo rongony ireo ka  kasainy hamidy 1.600.000 ariary eto Andrenivohitra. Nilaza ihany koa izy, fa kamiao mpitondra entana no nitondrana ireo rongony ireo teto Antananarivo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici