Ny alarobia faha-24 septambra tami’ny 12 ora antoandro, lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy nitondra basy sy bala marobe natao tao anaty sakaosy, teny Anosipatrana. Mitohy hatrany ny hetsiky ny mpitanadro filaminana iadiana amin’ny asan-jiolahy, izay hita fa tsy mitsahatra mihitsy eto an-drenivohitra. Ny polisy avy ao amin’ny boriboritany fahefatra Isotry no nahatratra ireto olona ireto. Nanao ny asany ara-dàlana izy ireo ary nisava fiara. Tamin’izany indrindra no nanakana taxi iray avy any Anosizato ho aty amin’ny -7 Ha ry zareo. Olona telo ireo mpanjifa tao anatin’ilay fiara. Toa nampiahiahy be ihany anefa ny fihetsk’izy ireo. Natao ny fisavana ny entana nentiny ka tamin’iznay no nahitana basy “PA 22 long rifle” iray miaraka amain’ny bala miisa dimy sy bala “calibre 12” miisa 35, fitoerana basy ary fehinkibo fitoerana bala. Natao tao anaty sakaosy avokoa ireo fitaovana ireo. Nanontaniana ny taratasy mikasika ireo zavatra ireo izy telo lahy dia nilaza fa tsy manana izany. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy eny Isotry ireto olona ireto.
Rehefa nofotorana izy ireo dia nilaza fa olona no naniraka azy hitondra ity kitapo misy basy ity haterina eny 67 Ha, ka 120 000 Ariary ny karama nomena an-dry zalahy. Nanampy ireto telolahy ireto fa hoe tsy navelan’ilay naniraka azy ireo ho jerena ny zavatra ao anatin’ilay kitapo. Araka izany dia tsy fantany fa fitaovam-piadiana no tao. Tsy fantatra aloha hatramin’izao, hoy ny vaovao voaray, na hamidy na hoentina hanantanterahana fanafihana ireto fitaovam-piadiana ireto. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana sy fikarohana ny tena tompon’antoka amin’izao fahatratrarana basy izao ny Polisy.
Atolotra ny Fampanoavana anio 26 septambra 2014 izy telo ireo.
nangonin’i r.s.