Omaly vao mangiran-dratsy, tokantrano roa, izay tsy nifanalavitra loatra no indray nasesin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana, teny amin’iny faritra Anosipatrana andrefana iny. Araka ny fantatra dia manodidina ny dimy lahy teo ireto jiolahy ireto ; izay nitondra basy poleta, ka voalaza fa mety ho basy kilalao sy zava-maranitra. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo ho eo no lasibatra ny tokantrano iray, rehefa nanao amboletra niditra tao an-trano izy ireo. Taitra tamin’ny kotaba ireo tao an-trano, saingy tsy afa-nanoatra noho ireo jiolahy nandrahona azy ireo tamin’ireo fitaovam-piadiana teny an-tànany. Nanararaotra nibata izay zakany araka izany ireto farany, ary nandositra rehefa nahazo izay nilainy. Noho ny mbola tahotra teny amin’ireo voatafika, dia tsy afa-niantso vonjy akory izy ireo. Ora iray taorian’izay, izany hoe nanodidina ny tany amin’ny roa ora maraina tany ho any, omaly hatrany, dia tokantrano iray tsy lavitra teo ihany koa no nataon’ny jiolahy nahita faisana. Araka ny fampitam-baovao azo, dia mety ho ny andian-jiolahy namely tao amin’ilay tokantrano voalohany ihany ity nanafika tao amin’ity trano iray ity. Zava-maranitra sy basy poleta ihany koa mantsy no nentin’ireto olon-dratsy ireto niditra tao amin’ity trano notafihin’izy ireo ity. Mitovy ihany koa ny fomba fiadin’izy ireo satria dia nambanan’izy ireo tamin’ireo fitaovam-piadiana ny tompon-trano ka tsy afaka nanao n’inona n’inona akory. Teo anatrehan’izay, dia naka izay zakany ihany koa izy ireo ary nitsoaka nony avy teo. Tao anatin’ny minitra vitsy avokoa no nanaovan’izy ireo an’izany, raha ny fanazavana azo hatrany, ary poa toa izay ny fitsoahan’izy ireo. Marihana fa tsy nisy poa-basy, na olona naratra na aina nafoy tamin’ireto fanafihana indroa miantoana ireto. Vao nahare ny fisian’ny fanafihana kosa ny pôlisy misahana iny faritra iny, dia tonga avy hatrany teny an-toerana ary nanao savahao ny manodidina, saingy tsy hita tany nanjavonana intsony ireo olon-dratsy. Mitohy araka izany ny fikarohana azy ireo. Manentana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona ireo pôlisy ny amin’ny fanomezam-baovao azy ireo hatrany hatrany mahakasika ny fisiana olona na tranga mety mampiahiahy eny amin’ny faritra misy azy ireo tsirairay avy eny.
m.L