- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Tra-tehaka teo am-panapitsohana trano ingahirainy

Anosipatrana : Tra-tehaka teo am-panapitsohana trano ingahirainy

Maritoa sy hety no nokasain’ity olon-dratsy ity hanapitsoahana varavaran’ny tokantrano iray tetsy Anosipatrana, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Tsy nahatanteraka hatramin’ny farany ny zava-nokasainy hatao anefa ity farany fa tonga haingana nanapaka ny « feeling »-ny ny pôlisy. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy dia naharay antso vonjy izy ireo, tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any, mahakasika ny resaka vaky trano teny amin’iny faritra Anosipatrana iny. Nandray andraikitra avy hatrany ireto pôlisy ary nidina avy hatrany tany amin’ilay toerana voalaza. « Olona iray mipetraka eny Anosipatrana no niantso ny polisy miasa ao Ilanivato nilaza ny fisian’ny lehilahy iray miditra an-keriny tao amin’ny trano iray teny an-toerana. Vao naharay izany ireo mpitandro ny filaminana dia nidina avy hatrany teny an-toerana nijery ny zava-nisy ». Tsy nampoizin’ity olon-dratsy ity mihitsy araka izany fa efa tonga tao an-damosiny ireo pôlisy. Ingahy mantsy etsy mbola variana misikotraka ny varavarana. « Tratra am-bodiomby ary tsy afa-nitsoaka intsony ingahy », hoy hatrany ny pôlisy. Fitaovana roa, maritoa sy hety no teny am-pelatanan’ity mpangalatra ity tamin’izy voasambotra izao. « Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny pôlisy teny an-toerana ity farany nanaovana fanadihadiana », raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici