Lehilahy roa izay samy kalazalahy amin’ny resaka asan-dahalo indray no voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Anosipatrana iny, ny alatsinainy maraina lasa teo. Ny iray fantatra amin’ny anarana hoe Bona, 33 taona, ary ny iray Manana, 35 taona. Araka ny tatitr’ireo mpitandro filaminana hatrany dia anisan’ny mpikambana ao anaty fikambanan-jiolahy ikoizana eny amin’iny faritra sy ny manodidina izy roalahy ireto. « Mpanafika tranombarotra sy mpivarotra enta-madinika amin’iny faritra Anosipatrana sy Ambilanibe iny. Nandray anjara tamin’ny famakiana tranombarotra iray teny Ambilanibe ny volana martsa 2015, efa-dahy no tompon’antoka tamin’izay ka ny roa no voasambotra », hoy ny vaovao. Marihina, hoy hatrany ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, fa efa nisazy ary efa nigadra avokoa ireto olona voasambotra ireto. «Ny vaky trano no tena talentan’izy ireo, sady manolana ireo tra-pahavoazana. Ny iray tamin’izy ireo ihany koa no nanendaka ilay mpiasan’ny airtel tamin’ny volana mars 2015, teny Anosipatrana-Est, ary namaky tranombarotrana Betsileo teny Anosipatrana », araka ny fampitam-baovao. Fifanandrifin-javatra ve ? Taorin’ilay naharavana ilay orinasa mpamatsy basy ireo tontakely tetsy Anosipatrana tokoa mantsy dia saika sarona avokoa ireo jiolahy teny amin’ny manodidina. Ireto sarona ireto ohatra, raha ny vaovao hatrany, dia toa hoe efa ela nifampitadiavana. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona nambara fa jiolahy raindahiny ireto.
m.L